SocialTatitra

Tanzanie : Manamafy ny fahafatesan’i John Mugufuli ho vokatry ny coronavirus i Tundu Lissu

Manamafy ny heviny mahakasika ny antony nahafatesan’ny filoham-pirenana tanzaniana John Mugufuli i Tundu Lissu. Nambarany, ary miziriziry amin’ny heviny ity filohan’ny mpanohitra ity fa coronavirus no nahafaty an-dratompokolahy. Raha tsiahivina anefa, efa nanao fanambarana mahakasika izay antony izay indrindra ny filoha lefitra tanzaniana ny alarobia 17 martsa lasa teo. Tamin’io andro io no nanambarany fa aretin’ny fo no nahafaty io filoham-pirenena tanzaniana io. Nandà mafy ny fisian’ny valanaretina coronavirus tao Tanzanie ny filoham-pirenena John Mugufuli fon’ny fahavelony. Tsy hita taratra teny ho eny nanditra ny 3 herinandro izy ary rehefa niely ny tsaho isan-karazany vao nanambara ny governemanta fa narary i Mugufuli. Nisy loharanom-baovao matotra nanambara fa mbola misy trangana coronavirus ao Tanzanie hoy i Tundu Lissu. Io ihany koa no nanamafy fa coronavirus no nahafaty io filoham-pirenena io. Efa maro ireo tompon’andraikim-panjakana maty tao an-toerana saingy tsy nolazaina avokoa ny antony marina tamin’ny nahafatesan’izy ireo. Tsy nisy vaovao mahakasika ny valanaretina navoaka intsony mantsy tao Tanzanie hatramin’ny volana aprily 2020 ka mampametra-panontaniana ny maro.

Laisser un commentaire