PolitiqueTatitra

Corée du Nord : Nanatsahatra ny fifandraisana ara-diplomatika amin’i Malaisie

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny fanatsaharany ny fifandraisana ara-diplomatika miaraka amin’i Malaisie i Corée du Nord ny zoma 19 martsa. Tapitra hatreo araka izany ny fifandraisana nisy teo amin’ny Korea sy i Kuala Lumpur hatramin’ny famonoana ny zandrin’i filoham-pirenena Kim Jong Un ny taona 2017. Nambarany fa tsy azo ekena mintsy io famonoana niseho tamin’izany fotoana izany io. Voatondraka asidra teo amin’ny tarehiny i Kim Jong Nam, mpiandraikitra iray amin’ny fitantanana ao Korea avaratra sady rahalahin’ny filoham-pirenena, ka nitarika nahafaty azy .I Malaisie ihany anefa no firenena voasokajy ho manana fitaom-piadiana nokleary amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Korea atsimo. Natsipin’i Malaisie tamin’ny koreana ihany koa ny fiampagana izay nolavin’i Pyong Yang tanteraka. Niha-ratsy hatrany ny fifankahazoana nisy teo amin’ny roa tonta taorian’izay, ary izao najanona tanteraka izao, hoy ny ministeran’ny raharaham-bahiny ao Korea atsimo tamin’ny KNCA.

Laisser un commentaire