France : Tovolahy 14 taona, maty novelesina tamin’ny maritoa
Tovolahy iray 14 taona no maty nandritran’ny fifandonana andian-jatovo tao Coignières, tanàna iray ao Yvelines ny misasakalin’ny 26 novambra teo. Marihana fa misy mpifanandrina ireo mponina ao amin’i Coignières sy Maurepas.
Raha ny fanazavan’ny manam-pahefana dia taorian’ny fifaninana MMA io fifandonana teo amin’ny roa tonta io. Voakapoka maritoa teo amin’ny lohany io tovolahy io raha ny fanamafisan’izy ireo ary fantatra ihany koa fa nisy olona roa naratra avy tao amin’ny vondrona Maurepas.
Mbola tsy nisy kosa ireo olona noahiahiana voasambotra manoloana ny tranga ny alahady teo. Nisy ireo vavlombelona nilaza fa nidian’izy ireo tao amin’ny kianja mitafo iray ny nahavanona io famonoana olona io saingy tafatsoaka. Mitohy kosa ny fanadihadiana ao an-toerana ary ny polisy ao Versailles no miandraikitra izany.
