Dépêches

Kolontsaina : Norombahan’ny Malagasy indray ny lalao Star Academy tao Europe.

Dépêche 28 novembre, 13h, I Anisha, Malagasy monina sy mianatra any Europe indray no nisalotra ny amboara tamin’ny lalao Star Academy tao amin’ny fahitalavitra TF1. Taorian’i Marghe, izay Malagasy mipetraka any ivelany izay nandresy tamin’ny lalao The Voice 2021 dia anjaran’i Anisha indray izao no nitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara. Azo hitarafana izao fa manakarena olona mana-talenta ny Malagasy. Mila trandrahana izy ireny ary omena tosika. Afaka mifaninana tsara amin’ny firenena hafa isika ary tsy mistanga-menatra.

Laisser un commentaire