Amehana ara-pahasalamana amin’ny fetim-pirenena
15 Jona, 09h20. Nambaran’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka anio fa na dia eo aza ny fankalazana ny fetim-pirenena malagasy dia tsiahivina fa mbola eo ambany fifehezana ara-pahasalamana COVID 19 hatrany ny tany Repoblikan’i Madagasikara. Noho izany dia tompon’andraikitra hatrany ny tsirairay amin’ny fanajana hatrany ny fepetra ara-pahasalamana, toy ny fanasana tanana amin’ny savony, fanaovana aro vava orona, ary ny elanelana iray metatra.
