Europe : Ny sokajin-doko misy ireo faritra maro manoloana ny coronavirus
Nanavao ireo tsidika ho ataony ny SPF mikasika ny raharaham-bahiny. Manomboka rahampitso alarobia 16 jona dia hotafiditra ao anatin’ny loko mena amin’ny karatry ny dian’i « SPF Affaires Etrangères » i Catalogne any Espagne sy i Thaïlande. Na izany aza anefa faritra maro ihany koa no efa nosojakiana ao anatin’ny loko maitso toa an’i Mecklembourg-Poméranie any Allemagne sy i Croatie adriatique ary i Salzbourg any Autriche. Isaky ny herinandro dia manao fitsidihana amin’ny faritra maro ny tompon’andraikitra manao fanadihadihana mikasika ny fahasalamana. Mifantoka kokoa amin’ny toro sy ny sivana izay ataon’ny Centre Européen de Prévention et de Contrôle des Maladies na ny ECDC mikasika ny fisorohana sy ny fifehezana ny aretina izy ireov amin’izany. Firenena maro araka izany no mbola anatin’ny loko mena any amin’ny Union Européenne. Teo ihany koa ny fiovana vaovao ho an’i Estonie sy Lichtenstein ary i Portugal izay lasa ao anatin’ny loko volomboasary. Faritra maro any France ihany koa no ao anatin’ny loko volomboasary toa an’i Alsace-Lorraine, Bretagne, Languedoc-Roussillon ary i Midi-Pyrénées. Tsiahivina ihany koa fa hotafiditra anatin’ny loko volomboasary manomboka rahampitso i Danemark Atsimo sy i Basilacate any Italie, Plaine de Pannomie ary i Zagreb any Croatie araka ireo toro ireo ihany.
