Maurice : Ankizivavy iray nitsoaka ny hôpitaly Jeetoo
Tanora tovovavikely iray izay nafindra tany amin’ny Hôpitaly Dr A.G Jeetoo any Port Louis Maurice ary napetraka teo ambany fanaraha-mason’ny « Child Development Unit » na CDU no nitsoaka tao amin’io toerana io ny alahady lasa teo. 15 taona ity tovovavy ity ary notsaboina sy narahi-maso tao noho ny herisetra ara-nofo nahazo azy. Efa noraisin’ny CDU an-tanana ny momba azy rehetra satria isan’ireo ankizivavy tsy ampy taona mpivaro-tena izy. Karohan’ireo brigady misahana ny zaza tsy ampy taona any Maurice araka izany izy amin’izao fotoana izao. Nanomboka tamin’ny 4 Ora hariva tany Maurice no tsikaritry ny mpitsabo mpanampy ny fanjavonany. Efa naparitaka nanerana ny paositrin’ny Polisy any amin’ny nosy ny fikarohana azy.
