ActualitésTsidika

RN4 : Fiara nisongona, nitera-doza

Fiara iray manao zotra Antananarivo-Mahajanga no nifatratra tany anaty hantsana ny alin’ny 6 martsa tamin’ny 11 ora sasany teo. Nandefitra noho ny fisongonana ataon’ny fiaran’olon-tsotra izay nirimorimo mafy avy any aoriana ilay mpamily.

« Nahazo sisiny loatra hany ka namantana tany anaty hantsana. 200 metatra tsy hidirana ny fiolanana Bonamary no nisehoan’ny loza » hoy ny mpamily fiara iray mampitohy an’i Antsohihy sy Mahajanga, izay nanampy ity fiara tra-doza ity. « Tsy nisy aina nafoy na olona naratra. Tsy nisy azo noraisina kosa ny kodiarana tamin’ny ilany havanana rehetra fa nahotohoto‚ rotika tanteraka » hoy ny mpitandro filaminana nizaha ny loza.

Marihina fa tsy nijanona ilay fiara nisongona izay nitera-doza ity. Ora maromaro taorian’ny loza dia tafavoaka tao anaty hantsana ny fiara. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire