Fondation Friedrich-Ebert : Miasa tsy miandry tambiny
Ny Fondation Friedrich-Ebert dia fondation mifandray amin’ny SPD (Parti social-démocrate d’Allemagne) izay antoko politika iray ao Allemagne. Fondation voalohany sy lehibe indrindra nifandray tamin’ny antoko politika tao an-toerana ny Fondation Friedrich-Ebert. Ao Bonn no ivo-toerany ary manana birao ao Berlin ihany koa izy. Mitsinjara amin’ny toerana maro eran’izao tontolo izao ny Fondation Friedrich-Ebert. Ny asany dia mifototra amin’ny demokrasia, fampandrosoana ara-toekarena ary fanamafisana ny firafitry ny fiarahamonim-pirenena.
Miasa tsy mitady tambiny (but non lucratif) io fondation io izay hita to Madagasikara. Manolo-tena manokana amin’ny fampiroboroboana ny fironana amin’ny hetsika ara-politika ho an’ny tombontsoa iombonana, amin’ny fanamafisana ny andrim-panjakana demokratika sy ny maha ara-dalàna azy ary hanakaiky kokoa ny vondrona sosialy voakasika amin’ny fanapahan-kevitra ara-politika no tena vohizin’izy ireo eto an-toerana.
