ActualitésTatitra

Comores : Handray anjara amin’ny Arab Beach Soccer Cup 2023

Efa miomankomana amin’ny fandraisana anjara amin’ny Arab Beach Soccer Cup 2023 ny mpilalao Beach Soccer ao Comores. Raha tsiahivina dia hotontosaina ny 11 hatramin’ny 20 may izao ao Arabie Saoudite io fifaninana io izay handraisana firenena 12 anjara izay misy an’i Arabie Saoudite (hôte), Mauritanie, Maroc ary Liban ao amin’ny vondrona A ; Oman, Palestine, Soudan ary Égypte ao amin’ny vondrona B ary Émirats Arabes Unis, Libye, Koweït ary Comores aoa min’ny vondrona C.

Ny mpanazatra Gerald Guidarini no hitarika ny ekipan’ny nosy Comores amin’io lalao io ary efa namoaka ny lisitr’ireo mpilalao ao amin’ny Cœlacanthes 14 hiatrika izany izy. Isany mampiavaka ny fifantenana tamin’ny taona ity ny fampitomboana ny isan’ny mpilalao ao an-toerana, mpilalao 4 amin’ireo 14 ihany mantsy no milalao io taranja io any amin’ny firenen-kafa raha ny fanazavana.

Laisser un commentaire