La Réunion : Andrasana ao amin’ny nosy ny praiminisitra Elisabeth Borne
Ho avy ao amin’ny nosy La Réunion ny praiminisitra Elisabeth Borne ny 11 hatramin’ny 13 may izao. Hiara-dia aminy ny minisitry ny outremers, Jean François Carenco, ny minisitry ny fambolena, Marc Fesneau, ny minisitry ny fonenana, Olivier Klein sy ny ekolojia, Christophe Béchu.
Mbola tsy fantatra mazava ny antondian’izy ireo fa raha ny fanazavana dia ho resahana mandritra izany ny vidim-piainana, ny tsy fananan’asa izay sedrain’ny mponina ary ny fisitrahana trano fonenana. Isan’ny teboka iray ho dinihina mandritra izany ihany koa ny resaka fisotroan-dronona izay miteraka korontana ao an-toerana.
