ActualitésTatitra

Comores : Notokanana ny faran’ny herinandro teo ny « centre d’imagerie médical » tao amin’ny CHU El-Maarouf

Notokanan’ny filoham-pirenena Azali Assoumani ny faran’ny herinandro teo ny « centre d’imagerie médical » tao amin’ny hopitaly El-Maarouf. Tonga nanatrika izany ihany koa ny minisitry ny fahsalamana tao an-toerana, ny mpikambana samihafa ao amin’ny governemanta, ny mpikambana ao amin’ny komity iraisam-pirenena ary ny manam-pahefana ao amin’ny fitantanan-draharaha sy politika.

Nanazava ny ministra, Loub Yacout Zaïdou nandritra ny fandraisam-pitenenany tamin’io fotoana io fa maoderina avokoa ny fitaovana napetraka ao amin’io toerana vaovao io toy ny « scanner » hika farany, « radiologie GE »,… Nampatsiahy ihany koa ny tenany fa misy « centre moderne de neurochirurgie » ahafahana mitsabo ny « tumeur cérébrale », « douleur chronique », « craniosténose », « épilepsie »,… ao amin’io hopitaly El-Maarouf io.

Laisser un commentaire