ActualitésTsidika

Talata Volonondry : Tsy nanadino ireo mpanala CEPE ny Kaominina

Nizotra tsara tao anaty filaminana ny fiatrehan’ireo ankizy mpanala fanadinana CEPE tao amin’ny kaominina. Niisa 432 ireo mpiadina izay nizara tao amin’ny ivontoeram-panadinana roa.

« Teny amin’ny CEG Talata Volonondry sy EPP Ambolo no nanatanterahan’ireo zanaky ny faominina ny fanadinana CEPE. Samy nozaraina fanomezana avokoa ireo ankizy tsirairay ho entin’izy ireo miatrika izany toy ny vatomamy sy chocolat ary maro hafa » hoy ny ben’ny tanàna ao Talata Volonondry, Randrianirina Hobiherisaona. « Ho reharehan’ny tanàna rahatrizay ireto zaza ireto. Tsara raha amporisihana hatrany ho tia fianarana ny ankizy mba hananany hoavy mamiratra » hoy i Joany, mponina ao Talata Volonondry.

Miankina amin’ny fanabeazana tokoa ny fampandrosoana ny tanàna. Mifototra amin’ny fanabeazana ny famolavolana ny sain’olona iray mba hahafahany mitondra lavitra ny fiainany sy ny firenena.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire