ActualitésTsidika

Manjaka : Tsy nijery fotsiny ireo tra-boina ny Kaominina

Tonga nitsidika sy nitondra ny vonjy rano vaky ho an’ny ankohonana iray ao Manjaka ny ekipa avy eo amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Marihina fa nisy hain-trano tao Manjaka, ary rava trano ity ankohonana iray ity.

« Nijery avy hatrany ity fianakaviana ity ny Kaominina raha vao nahare fa nisy voina nahazo azy ireo. Notolorana kojakojan-dakozia sy lamba firakotra ary vary izy ireo ho fanampiana vonjy maika aloha » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Isaorana ny kaominina sy mponina manodidina amin’ny fiara-mientana nanampy sy nampiantrano. Ny entan-jaraina tokoa mora zaka » hoy ny fianakaviana niaharan-doza.

Tato ho ato dia mitombo ny tranga hain-trano toy izao eto amin’ny faritry ny kaominina. Manentana hatrany ny rehetra ny kaominina mba ho mailo sy hitandrina hatrany, ho fisorohana ny loza mety hitranga.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire