SSMAF: Mbola mitohy ny fisoratana anarana ho an’ny « Foire économique »
Mbola mitohy hatrany ny fisoratana anarana ho an’ireo izay te handray anjara amin’ny Foire economique SSMAF. Ny 01, 02 ary 03 septambra no hanatanterahana ny hetsika eny amin’ny amin’ny kianja ampitan’ny Mikiry, Ambohimangakely no hanatanterahana ny hetsika, araka ny voalaza.
“Hisy ny fampirantiana, trano heva, varotra, fanentanana sy sehon-tsehatra isan-karazany manditra ny tsenabe SSMAF izay azon’ny mpisehatra rehetra handraisana anjara. Izy io dia misokatra ho an’ireo mpisehatra ara-ekonomika rehetra. Na ny mpandraharaha na ny mpamatsy vola sy ireo mpamongady na ny olon-tsotra, afaka mandray anjara avokoa” hoy i Hasina, tomponandraikitra ao amin’ny SSMAF.
“Hetsika iray hanomezana sehatra ny lafin’ny ara-ekonomika ity tsenabe ity. Amin’io fotoana io dia maro ireo zavatra hiseho, fanararaotra ho an’ireo te ho matihanina amin’ny fitantanana sy ny varotra, ny fandraharahana sy ny maro hafa. Ahitana zava-baovao ihany koa ary azo trandrahana soa aman-tsara ho fanatsarana ny fidiram-bola na ny zavatra atao” hoy hatrany ny fanazavana.
Marihina moa fa eny amin’ny BTC Ambohimangakely no hanatanterhana ny fisoratana anarana amin’ity “foire economique SSMAF” ity. Ny ivon-toerana BTC izany tsiahivina hatrany fa eny Ambohimangakely eo anelanelan’ny Gallodrome sy ny Station Jovenna double.
Manitra R.
