ActualitésTsidika

Kaominina Antananarivo Renivohitra : Mikarakara fifaninana hidirana ho mpamonjy voina

Hampiditra mpamonjy voina vaovao miisa 75 ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ity taona 2021 ity. Misokatra ho an’ny daholobe ny fifaninana. Misy ny sivana atao amin’ireo izay maniry ny andray anjara amin’ny fifaninana, ka toy izao manaraka izao izany : lehilaly mirefy 1metatra sy 65, vehivavy mirefy 1metatra sy 60, 20 taona hatramin’ny 28 taona, manana ny marim-pahaizana BEPC fara-fahakeliny, mitombona tsara ny ara-batana sy ny ara-pahasalamana.

Ny 03 Desambra ho avy izao ny fara-fanatena ireo antotan-taratasy ilaina amin’ny fifaninana. Misy ny adina am-bava sy adina an-tsoratra atao amin’ireo kandidà ka ny volana Febroary 2022 no volana voatondra hanatanterahana ny fanadinana. Hiatrika fampiofanana avy hatrany ireo mpiadina afaka soa aman-tsara amin’ny fanadinana aorian’izany. Miisa 67 ny lehilahy horaisina amin’izany raha to aka 8 kosa ny vehivavy.

« Manentana ireo tanora izay mahafeno fepetra andray anjara amin’ity fifaninana izay azo ambara fa tolotr’asa homen’ny Kaominina antsika ity, aza variana mifidifidy asa instony fa araraoty aloha ny anio » hoy i Saholy. « Mino sy manantena izahay fa tsy anjakan’ny kolikoly instony ity fifaninana ity, vonjy aina no asa hotanterahina amin’izany koa miangavy re hatsaharo ny kolikoly sy ny kiantrano an-trano izay efa nanjaka teto amin’ny firenena hatramin’izany » hoy i Patrik, mpandray anjara tsy nahomby tamin’ny fifaninana nokarakarain’ny Kaominina teo aloha.

« Tsikaritra fa tsy ampy ny mpisehatra ao amin’ny mpamonjy voina ka noho izany antony indrindra no nanosika anay hikarakara izao fifaninana iza. Fanampin’izany, natao izany hanampiana ireo tanora marobe izay tsy an’asa eto an-drenivohitra ankehitriny » hoy i Naivo, tompon’andraikitra ao amin’ny Kaominina Antananarivo. « Fifaninana toy izao indrindra no ilàna ny karatra maitso, izany hoe tokony takiana anaty fepetra fa nahatanteraka fitsarana miaramila ny mpiadina iray. Tsy asa mora ny miandry izany mpamonjy voina izany koa ilaina tanteraka ny fahavitrihana sy fahatomombanana amin’ny mpiadina iray » hoy i Benja, tompon’andraikitra ao amin’ny sampana mpamonjy voina.

Antsasamanilan’ireo tanora ankehitriny no tsy manana asa fivelomana ankehitriny. Tsy azo hodian-tsy hita nefa ankilan’izany ireo antso avo sy tolotr’asa maro ataon’ireo mpisehatra mahakasika izany, fiantsoana fampiofanana maimaimpoana sy fifaninana hidirana ho mpiasam-panjakana. Tsikaritra manoloana izany fa ireo tanora mihitsy no malaina hiditra amin’ny sehatry ny asa, indrindra ireo tanora eny amin’ny faritra iva izy tena ahitana tahan’ny tsy fanana asa ambony indrindra. Toe-tsaina tsy te hivoatra hananan’izy ireny ny hoe « mamboly voky tsy mamboly voky ».

Haingotiana Andriamihaja 

Laisser un commentaire