Fa inona no olana amin’ny volo « afro » ?
Niteraka resabe tato anaty tambajotran-tserasera ny volo « afro » na « cheveux crépus » taorian’ilay horonantsary mikasika ny fidiran’ny mpianatra nataon’i Lova Renée zazavavy iray malaza amin’ny taba-jotra Facebook.
Samy naneho ny heviny teo ny rehetra manodidina izay fidiran’ny mpianatra izay sy ny volony. « Efa hiditra hianatra izao ka bangoy ny volobe anao io fa sao dia tsy raisin’ny sekoly any » hoy ny sasany. Tetsy an-kilany kosa nilaza ilay mpanakanto Denise izay manana tahaka ilay volo ihany koa fa « olombelogna areky fo antsika, tsy midika haratsiagna, na fahavoretrana, na tsy fahamendrehagna io karazana volo io fa io no voajanahary anagnany ». Nanohana an’i Lova Rénée avokoa ny ankamaroan’ny satria hoy mantsy izy « tiako ny voloko rehefa natoraly ».
Izao tokoa ny tena volony ary tafiditra ao antin’ny fahasamihafana izao ka tsy tokony havakavahana. « Aza adino rankizy fa ny tsy fitovizantsika dia tombony izay mampiavaka antsika » hoy ny avy ao amin’ny Unicef Madagascar raha naneho hevitra ny mikasika izao resa-be izao.
Mahagaga sy mampalahelo fa mbola betsaka ny trangana fanavakavahana mbola hita sy miseho eto Madagasikara na dia samy Malagasy izao ihany aza indrindra manodidina ny volo sy ny volon-koditra. Tsara tadidiana fa olona avy any amin’ny firenena maro no nifindra monina teto Madagasikara izay samy nanana ny volon-kodiny avy noho izany dia efa nateraka ho samihafa mihitsy isika. Tsy ny olona mbola ao anatin’ny fanavakavahana ihany anefa no tena tsy manaiky ity volo « afro » ity fa na sekoly maro aza. Mandrara ny fanaovam-bolo ho « afro » ny sasany kanefa tokony any am-pianarana mihitsy no hampianarana ny olona hanaiky sy hanaja ny fahasamihafana ary hampianatra ny firaisan-kina ka hisafidy ny hatsaram-panahy. Misy tokoa mantsy ny olona manamboatra ny volony ho « afro » mihitsy amin’ny alalan’ireo fitaovana isan-karazany raha ao kosa ny efa voajanahary mihitsy.
Mila manaja ny safidin’ny hafa isika satria ny fandrosoana dia miainga amin’ny fanomezana fahalalana ny safidy.
Nicole Rafalimananjara
