ActualitésSocialTsidika

Talata Volonondry: Nizotra am-pilaminana ny fiatrehana ny taranja Tantara sy jeografia ho an’ireo mpiadina

Tonga maro ireo mpiadina ny bakalorea, hamerina ny laza adina tantara sy jeografia, tao amin’ny foibe toeram-panadinana tao amin’ny kaominina Talata Volonondry, ny zoma teo. Nanana safidy ireo mpianatra tamin’ny famerenana ity taranja ity, satria ny naoty tsara no ho raisina amin’izany, taorian’ny fikorontanana nitranga ny alarobia hatrany.

“Niezaka sy naneho fahavononana hatrany ireo tanora na dia teo aza ny fikorontanana vokatry ny fiparitahan’ny laza adina mialoha ny alarobia iny. Ny valala tokoa tsy azo raha tsy andrinilika” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Somary nanano sarotra ny fiatrehana ny laza adina faharoa satria somary efa vizana ny saina fa tsy maintsy natao tsara foana ihany manoloana ny zava-nisy tamin’ny alarobia. Tsy fantatra izay naoty ho tsara ka tsara foana ny mamerina na hoe nisy aza ny bonus ho an’io taranja io”hoy i Nomena, mpiadina.

Na teo aza anefa izany rehetra izany, misy hatrany ny tahotra sy ny tebiteby ho an’ireo mpiadina eo am-piandrasana ny vokatry ny fanadinana iny. Tena ho voajery tsirairay tokoa ve ka ho araka ny tokony ho izy ny naoty omena ireo mpiadina manoloana ireo karazana olana maro eto amintsika?

Manitra R.

Laisser un commentaire