Tsidika

Antoko Politika Madio : Nandefa taratsy ho an’ny Filohan’ny Chambre Basse

Iray volana taorian’ny fihaonan’ny solontenan’ny Antoko Pôlitika Madio (APM) tamin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa dia naharenesana feo indray ity antoko ity.Nametraka taratasy ho an’ny Filohan’ny Chambre Basse ny Antoko. Taratasy izay mirakitra  “hetsika fanafoanana » ho an’ny Filoham-pirenena mahakasika ny  fananan’ny Filoham-pirenena ny zom-pirenena Frantsay. Mangataka ihany koa izy ireo ny hangatahan’ny Antenimieram-pirenena fanazavana avy amin’ny Fitsarana Avo momban’ny Lalampanorenana mikasika ny andinin-dalanà faha-46 amin’ny Lalamapanorenana Malagasy . “ Miandry ny valin’izao fangatahana izao mihitsy izahay satria amiko dia tsy fanarahan-dalana izao zava-misy izao. Tsy sanatria akory fanenjehana no atao fa kosa mahatsapa ny tena fa manjaka ny tsy rariny kanefa dia tany tan-dalana i Madagasikara ka aleo mba tsy ny mpitondra izay lohany tokony ho fitaratra indray no tsy hanaja ny lalana.” Hoy ny mpanara-dia ny antoko “Raha amiko manoka dia efa akaiky ny fifidianana. Io fotoana io no ahafantsika Malagasy rehetra maneho ny fankasitrahana na tsia ny zavatra vitan’ny mpitondra ka aleo miandry fifidianana. Efa akaiky ny fifaranan’ny taom-piasan’ny fitondrana ankehitriny ka mety tsy hampiova zavatra be intsony ny fitakiana atao amin’izao. Mila mahay mifidy isika , izay ihany.” Hoy i Anthoine mpanaraka raharaham-pirenena. Hita ho tsy nahenoana teny firy ny antanan-tohatra isan-tsokajiny ara-pôlitika eto Madagasikara nanoloana ity raharaha zom-pirenena ity. Ny antoko sy fikambanana isan-karazany kosa etsy an-daniny manao fangatahana  sesilany mahakasika ny fampanarahan-dalana ary manamafy fa famadihana Tanindrazana no afaka andikana izao zava-misy izao. Miranto Andrih

Laisser un commentaire