Fiainan’ny tanora : Nahatratra 15 ireo tanora namono tena tao anatiny 1 volana
Niha nahazo vahana tatoato ny famonoan-tena nitranga teto Madagsaikara. Maro ny antony mahatonga izany, toy ny olana ara-pitiavana, olana eo amin’ny fiaraha-monina, olana eo amin’ny Ray amn-dreny. Mila tohanana eo amin’ny lafiny ara-moraly sy ara-pisikolojia izy ireny mba hisorohana haingana anizany anizany.
Manao antso avo amin’ny fanjakana noho izany ny fikambanana « Observatoire de la Jeunesse ». « Mangataka izahay mba hamelona indray ny « centre d’écoute » ny tanora . Izahay ato amin’ny fikambanana dia hiezaka handray andraikitra. Nefa kosa miangavy ny fitondram-panjakana sy izay rehetra voakasika mba hiara-hiasa aminay. Izahay izany dia miangavy ny Minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena mba hanamafy ny fampianarana ireo tanora hampiasa ny tambajotran-tserasera ho amin’ny zavatra tsara. », hoy i Fy Rafononjanahary, filoha lefitra ny fikambanana.
Maro ireo tanora no sahirana amin’ny fiainanan ka mila anizany fanohanana izany. Zava-dehibe ny fiaraha-miasa mba hisorohana anizany tranga izay mahazo vahana amin’izany. Ilaina ihany koa ny fandraisana andraikitra avy amin’ireo mpitandro filaminana. « Marihina fa efa 15 ireo efa namono tena. Fa kosa mbola maro ireo tanora no tafaresaka aminay amin’ny hafatra miafina, mbola maro ireo vondrona mivoy ny famonoan-tena. Tsikaritray koa fa misy antony ara-zava-mahadomelina no mitarika ny tanora hamono tena. Mangataka ihany koa izahay amin’ireo « brigade » misahana ny fanenjehana ireny zava-mahadomelina ireny. Misy ny tanora izay tsy maha voafehy intsony ny fandraisana azy ireny. », hoy hatrany ny fanazavana.
Ilaina hatrany ny fiaraha-miasa ny olona rehetra mba hanampiana ny tanora amin’izao fotoana izao. Misy ireo tanora izay mahatsiaro tena fa miady irery amin’ny fiainana, ka tokony hisy ny fanohanana , voalohany avy amin’ny Ray aman-dreny , ny fiainakaviana, ireo namana aman-tsakaiza. Tsy mora ny mandeha irery izany ka manentanan ny tanora hatrany mba hanantona sy hifampiresaka hatrany amin’ny olona hafa mba hizarana ny alahelo na ny zavatra mafy iainana amin’ny fiainana.
Erwan RAN
