ActualitésTsidika

Kolontsaina : Natomboka ny fanarenana anaty hamehana ilay Tempoly Protestanta ao Anatirova

Taorian’ny fanakatoavan’ny filan-kevitry ny Minisitra farany teo mahakasika ny fanarenana ity tempoly Protestanta ao anaty Rova ity izay nahitana fahasimbana vokatry ny orana dia nijery izany fanarenana anaty hamehana izany ny Minisitra misahana ny Kolontsaina izay notronin’ireo taranak’andriana. Maro ireo asa izay mifandray amin’izao fanarenana anaty hamehana izao ka tsy maintsy tanterahina.

« Anisan’ny asa hatao amin’izao fanarenana izao ny lohan’ny tilikambo izay tsy maintsy hampidinina tsirairay ireo rihana telo mandrafitra izany, ka ho soloina ny vato ratsy, izay vao harafitra vaovao sy hampiakarina indray. Eo koa ny  fitsirihana ny olana mikasika ny rano avy ao ambanin’ny Tempoly, tsikaritra fa mitsika amin’ny rindrina ary miteraka hamandoana izany ary miakatra mandoto ny rindrim-bato no sady manakorontana ny fahamarinan-toeran’ny Tempoly. Hisy araka izany  asa fitrohana sy fandritana izany rano miandrona sy hamandoana izany », hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Ny taranak’Andriana izay nisy solontena teny an-toeran moa dia nankasitra ny Ministera tamin’izao asa izao ka nilaza fa « Singa iray mandrafitra ny vakom-pirenenana Rovan’i Madagasikara, eny Manjakamiadana ity Tempoly Protestanta ao anatiny ity ka isaorana ny Ministera nandray fanapahan-kevitra ny hanamboatra sy hanarina izany ».

Manararaotra izao asa fanatsarana izao koa ny minisitera ho fanoloana ireo tafo mitete ary koa ny lakan-drano avy eny ambony. Eo koa ny fanadiovana ny rindrina ivelany rehetra. Ary amin’ny maha vakoka azy dia atao manaraka ny fenitra sy manaja hatrany ny endrika niaingana ny asa fanatsarana izay sambany natao tao anatin’ny 154 taona niorenan’ity fiangonana ao anaty rova ity. Etsy ankilany anefa dia mila haverina ampianarina ny ankizy sy ny tanora ny maha zava-dehibe ny fahalalana ny tantara amin’ny alalan’ny fitsidihana ireny toerana ireny fa tsy avela hojeren’ny vahiny fotsiny.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire