La Réunion : Tetik’asa fito no momba ny tontolo iainana no ho tohanan’ny fanjakana
Tetik’asa fito no hisitraka ny « fonds d’accélération de la transition écologique » antsoina ihany koa hoe « Fonds vert » ao amin’ny nosy La Réunion. Raha tsiahivina dia mitentina 2 miliara euros io vola ary natokana ho an’ny tontolo iainana ao amin’ny faritany frantsay sy mpiara-miombon’antoka aminy io araky ny fanambaran’ny praiminisitra, Élisabeth Borne tamin’ny volana aogositra lasa teo.
Nivoaka ny alatsinainy teo kosa fa ireo « lauréats » 150 voalohany hisitraka io famatsiambola io. Ny 18 amin’ireo dia « ultramarins » izay ao La Réunion ny 7. Mitentina 1,4 tapitrisa euros kosa ny vola ho sitrahan’ny nosy amin’io « Fonds vert » io ampiasaina amin’ny fanavaozana ny tanàna sy vohitra ho maitso indray, amin’ny fanodinana (Recyclage) ary amin’ny fanohanana ny paikady nasionaly momba ny zava-manan’aina 2030.
