ActualitésTsidika

SSMAF Ambohimangakely : Afaka mandray anjara avokoa ny rehetra

Fotoana iray hihaonan’ny mpisehatra amin’ny fanatanjahantena, ny kanto ary ny kolontsaina maro samihafa. Nokarakaraina mba ahafahan’ny rehetra maneho ny talentany ity fotoana ity indrindra ireo izay vao manomboka mitrandraka aizany talentany izany. Malalaka tsara ny fotoana hahafahana mandray anjara.

« Tsy manavaka ny fandraisana anjara fa hanentanana ny rehetra na lahy na vavy. Raha tsy manana talenta amin’ireo taranja ilaina izany dia hisy ihany koa ny foara sy ny fampirantiana isan-karazany ahafahana mandray anjara mavitrika. Ny tanjona ami’nizany moa dia ny hanangana fiaraha-monina manodidina ny hetsika toy izao ary hamorona rivo-piainana mahafinaritra amin’ny toerana miavaka. Ka izany no ialina ny fandraisana anjaran’ny tsirairay », hoy ireo mpikarakara.

Ny 15 jolay ka hatramin’ny 16 septambra 2023 izao no hanatanterahana ny hetsika izay haharitra roa volana. Marihina fa efa miditra amin’ny andiany fahatelo ny Suburban Sport Music & Art Festival (SSMAF). Eny amin’ny BTC Ambohimangakely no hanatanterahana ny hetsika, ary efa manomboka ny fisoratana anarana ho an’ireo izay maniry handray anjara amin’izany.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire