ActualitésTsidika

Fizahantany : Vahaolana hanatrarana ny tanjona amin’ny 2028 ny fitaterana an-habakababa

Vahaolana sady hetsika azo tanterahina tsar any hanatratra mpizahatany 1 tapitrisa ny taona 2028. Handray anjara amin’ny fanatrarana izany tanjona izany ny fitaterana an-habakabaka amin’ny aklalan’ny fametrahana ny « cluster aérien ». Handray anjara amin’ny fanatrarana izany tanjona izany avokoa ireo mpisehatra rehetra araka izany. Tanjona fohy ezaka ny fametrahana io cluster io raha vinavinaina hahalasa lavitra ny sehatry ny fizahantany.

« Mitovy ny tanjona amin’ity sehatry ny fizahantany ity ho an’ny Ministera roa tonta ka tsy hatao resaka fotsiny ilay hoe mpizahatany 1tapitrisa no tonga eto amin’ny taona 2028. Mila mivondrona sy mifanakalo hevitra ny mpisehatra rehetra amin’ny fitaterana an-habakabaka. Ho sarotra ny tanjona raha vao tsy ny rehetra no miaraka mifanome tanana amin’ity tanjona ity ka izany indrindra no hametrahana ny cluster aérien », hoy ny Minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Valéry Ramonjavelo. Vinavinaina ho vondrona mpanapa-kevitra ity cluster ity hahafahan’ny Madagasikara manana fitarerana an-habakabaka matanjaka.

« Anisan’ny olana matetika ny fitaterana ka mampihena ny mpizahatany. Anisan’ny asa azo atao ity cluster ity ary tokony handray anjara amin’izany avokoa ireo izay voakasika rehetra ka manana eritreritra ny te hahazo tombony amin’izany. Ny fifampihainoana no mahatomombana ny zava-drehetra ka izany no ilaina ity cluster ity. Azo ampiharina amin’ny sehatra hafa ihany koa izany satria tsy ny an-habakabaka irery ihany no mandalo olana », hoy ny tompon’ny agence de voyage iray tamin’ny fanazavany.

Marihina fa ny vahaolana voalohany ho amin’izany tanjona izany dia ny hampitombo ny isan’ireo sidina miditra an’ny Madagasikara. Manaraka eo ihany koa ny vahaolana samihafa. Asaina ho ao anatin’ny cluster avokoa ireo sampandraharaha rehetra miasa eo amin’ny sehatry ny habakabaka, indrindra ny sehatra tsy miankina, ny minisitera isan-karazany, ny orinasa isan-karazany, ny kaompaniam-pitaterana an’habakabaka, ny kaonfederasionan’ny fizahantany eto Madagasikara, tsy hadino ihany koa ny Adema sy ny Ravinala Airports.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire