Ankadikely Ilafy : Mahazo vahana ny sehatra fampindramam-bola
Anisan’ny hita misongadina ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy amin’izao fotoana izao ireo sehatra lehibe, mifampiankina amin’ny filàn’ny mponina amin’ny andavan’andro. Ny talata teo, nisy ny fitokanana ny « caisse d’epargne de Madagascar » izay notarihin’ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
« Taorian’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny toeram-pivarotam-panafody tao Ambohirarahaba, dia niroso tamin’ny fitokanana ny caisse d’epargne teto Andrononobe ny tomponandraikitra. Ity ivon-toerana ity izay hanome vahana ny fitadiavana lalam-bola ho an’ireo mpandraharaha sy tanora eto an-toerana » hoy ireo tompon’andraikitra avy amin’ny kaominina.
« Sehatra iray tena ilaina ety ifotony ny ivon-toerana tahaka izao. Maro ireo tanora na mpandraharaha na tantsaha mila toeram-pitahirizana na hanao findramam-bola fa indrindra azo hitokisana » hoy i Tsanta, mpianatra mpandraharaha.
Anisan’ny manome endrika tsara ny kaominina ary anatin’ny fampandrosoana moa ny fananana ivon-toerana tahaka izao. Na dia izany aza anefa, mbola maro ireo mponina mitaraina eo amin’ny faharatsian’ny foto-drafitr’asa, toa ny lalana, sy ny fandrindrana ny fako izay manome endrika ratsy ny tanàna.
Manitra R.
