ActualitésTatitra

France : Vehivavy iray no nisandoka ho renim-pianakaviana ary nikasa naka an-keriny zaza tao amin’ny toerana fitaizana zaza iray

Ny alatsinainy hariva teo no niseho tao Alfortville, Val-de-Marne ity tranga ity. Manodidina ny enina ora hariva tamin’io andro io dia nisy vehivavy iray nakao amin’ny toerana fitaizana zaza iray tao Louis Blanc. Nisandoka ho renin’ny zazavavy kely roa taona iray izay nokasainy ho alaina an-keriny io vehivavy io saingy fantatra ireo tompon’andraikitry ny toerana tsara ny tena ray aman-drenin’ilay zaza.

Manoloana izany dia nandà ny hitondran’ilay vehivavy ilay zaza ireo tompon’andraikitra. Niantso ny manam-pahefana ireo farany saingy nandao ny toerana kosa ilay vehivavy. Nokarohina nefa ny tenany ka hita tsy lavitr’ilay toerana fitaizana zaza. Nosamborina avy hatrany ilay vehivavy ary efa notanana am-ponja vonjimaika. Ireo manam-pahefana ao Alfortville kosa no misahana ny fanadihadiana.

Laisser un commentaire