Australie : Voarara ny mampiasa TikTok amin’ny fitaovan’ny governemanta
Toy ny ao amin’ny firenana tandrefana maro dia norarana tsy hampiasa ny TikTok amin’ny fitaovan’ny governemanta intsony ireo mpikambana ao amin’izany. Firenena farany ao amin’ny « Five Eyes » nandray io fepetra io kosa i Australie, raha efa nampihatra izany i États-Unis, Canada, Grande-Bretagne, Nouvelle-Zélande, France, Pays-Bas ary ny Commission européenne.
Natao ny talata teo io fanambarana io ary ho ampiharina faran’izay haingana indrindra, raha ny fanazavan’ny minisitry ny fitsarana ao an-toerana, Mark Dreyfus. Raha tsiahivina dia ny sampan-draharaha mpitsikilo (renseignement) ao Australie no nanolotra io fepetra io noho ny ahiahy amin’ny tsy fahatomombanan’ny fiarovana (sécurité) ao amin’izany. Efa nihaiky mantsy io rindrambaiko io fa manangona angon-drakitra manokana mikasika ny mpampiasa azy izy.
