Maroc : Nahazo filoha vaovao ny CAF.
Notanterahina ny zoma 12 martsa teo ny fifidianana izay ho filohan’ny Confédération Africaine de Football na ny CAF tany Rabat-Maroc. Lany nandritra izany i Patrice Motsepe izay avy any Afrique du Sud. Azo lazaina ho isan’ireo mpanefoefo tokoa any an-toerana sady kandidà tokana nilatsaka ho fidiana izy. Tsy nisy araka izany ny mpifanandrina ka mora ho azy ny nandrombaka ny toerana. Tonga nifidy tany an-toerana ny filohan’ny federasiona Malagasin’ny baolina kitra, Dr Arizaka Rabekoto.
