Niger : Miatrika fanamby maro.
Misedra olana maro ny ao Niger ankehitriny. Eo ny olana ara-jeografika, ny fahasalamana ary ny fandrahonana ataon’ny mpampihorohoro. Matetika no ahitana fanafihana jihadista ataon’ny Boko Haram any amin’izy ireo. Manerana ny faritra maro ao an-toerana no misy izany. Eo ihany koa ny tahan’ny fahaterahana ambony ao Niger, miteraka olana ara-pahasalamana goavana izany. Lasa tompon-daka amin’ny fahabetsahan’ny taham-piterahana ny ao niger ankehitriny. Voasokajy ho firenena mahantra indrindra manerantany ny any an-toerana. Tafiakatra ho 41.9 % ny tahan’ny fahantrana, ary eo amin’ny 60 taona ny faharetan’ny fahaelan’ny fiainana. 29% ny taham-pahaizana mamaky teny sy manoratra. Ary latsaka ny 15 taona avokoa ny ankabeazan’ny mponina ao.
