Mozambique : Lasibatra amin’ny asa fampihorohoroana
Isan’ireo lasibatry ny mpampihorohoro avy amin’ny vondrona islamika ny mponina ao avaratr’i Mozambique. Maherin’ny 700 000 ireo olona nandao ny fonenany taorian’ny fanafihana nataon’ireo mpampihorohoro izay naharatrana sy nahafatesan’olona maro. Tsy latsaky ny 1 000 ihany koa ireo tovovavikely latsakin’ny 20 taona nalain’izy ireo an-keriny ary nisy ireo nalefa hivaron-tena ivelan’ny Mozambique ary nisy ny noterena hivady amin’izy ireo. Latsaka anaty tebiteby loatra ny mponina any an-toerana amin’izao fotoana izao. Taorian’ny fanafihan-tafika tany Palma ny 23 Martsa lasa teo no niditra an-tsehatra ny tarika frantsay mandrapam-pilaminan’ny faritra kanefa tsy manaiky ny fanampian’ireo tafika ivelany ny governemanta Mozambikanina.
