France : Zazavavy kely iray no hita faty tao anaty fako
Raha hita matetika eto an-toerana ny fanariana zaza menavava any anaty fako dia zazavavy kely 5 taona ihany koa no sedran’izany tao Rambervillers, les Vosges. Ray aman-dreny iray no nampandre ny manam-pahefana rehefa tsy nahita ny zanany ny talata ariva teo. Ora iray taorian’izany dia tovolahy 15 taona no niantso ny polisy ary nilaza fa nahita fatin-jazavavy kely tsy lavitry ny trano fonenany sy ny reniny ao Parmoulin.
Avy hatrany dia nandeha tany an-toerana ireo tompon’andraikitra ary voamarina zavavavy kely iray efa tsy nisy ainy intsony, naboridana ary tao anaty harona plastika no novantanin’izy ireo. Avy hatrany dia nosamborina ilay tovolahy 15 taona niantso azy ireo. Marihana fa efa voarohirohy tamin’ny raharaha « pédophilie » ny tenany ary tsy vaovao amin’ireo manam-pahefana.
Manana olana ara-tsaina ny tovolahy raha ny fanazavana ka navotsitra. Arahin’ireo manam-pahefana akaiky nefa ny tenany ary maro ireo fitarainana azo momba azy taorian’ny tranga. Raha ny filazan’ireo mpiray vodirindrina aminy dia mandrebireby zazavavy kely hiaraka aminy ao an-tranony izy amin’ny alalan’ny saka.
