Tsarasaotra-Ilafy : Hisy ny fanotorana tany ho fanamboarana ny lalana
Nahazo fahazoan-dalana manokana ny fanotorana tany ho an’ny asa fanamboarana ny lalana mampitohy an’i Tsarasaotra sy Ilafy. Nankatoavina nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra natao ny 6 jolay ny fanomezan-dalana ny minisiteran’ny Asa Vaventy hiroso amin’izany.
« Isan’ny tena manahirana tokoa ny mandeha amin’io lalana io rehefa fahavaratra. Hirariana ho vita haingana izany ka tsy ho tratran’ny fahavaratra intsony » hoy i Nofy, mponina ao Ilafy. « Tokony efa ela no natomboka io asa io. Hitondra fampandrosoana eto Avaradrano mantsy ny fahavitan’izany mba tsy hiteraka olana intsony ny fivezivezena noho ny faharatsian’ny lalana » hoy ny Lanto, mponina ao Ilafy ihany koa.
Hisy noho izany fanelingelenana noho ny asa fanamboarana. Tsara raha manaraka hatrany ny fandaminana ho tombotsoan’ny maro.
Nicole Rafalimananjara
