ActualitésTsidika

Sahantona Mandritsara : Ampidirina amin’ny ara-dalàna ny sehatry ny fitrandrahana

Manana tanjona amin’ny fampidirana ny fitrandrahana volamena ao Sahantona Mandritsara, amin’ny sehatry ny ara-dalàna ny minisitera. Nijery ifotony ny tranga misy mahakasika ny fitrandrahana volamena any amin’ny fokontany Sahantona, kaominina Andohajango, Distrikan’i Mandritsara ny delegasiona avy amin’ny minisitera mpiahy.

Narahana fifampidinihana niarahana tamin’ny tompon’andraikitra isan-tokony izany. Tanjona napetrak’izy ireo ny fandrindrana sy fampanarahan-dalàna ny asa fihariana volamena araka ny tatitra teo anivon’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena stratejika. Nivoitra nandritry ny dinika ihany koa ny fampidirana ao anatin’ny ara-dalàna ny asa mifandraika amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, toy ny volamena. Kendrena ao anatinizany ihany koa ny fampanarahan-dalàna ny mpisehatra, ny fanajana tontolo iainana sy ny fanamafisana ny fanaraha-maso hiadiana amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna sy ny gaboraraka mba samy hisitraka ny tombotsoa avy amin’izany na ny mpitrandraka na ny mpandraharaha na ny kaominina sy Faritra ivoahan’izany ary indrindra ny Firenena amin’ny ankapobeny. 

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire