Maurice : Séga, dihy sy mozika mampalaza ny firenena
Dihy sy mozika avy amin’ny andevo afrikanina ny Séga. Zava-kanto malaza indrindra ao amin’ny Maurice izany. Tsotra ny fanatanterahana azy, asosa amin’ny tany ny tongotra ary tsy hingaina mihitsy. Eny amin’ny tora-pasika izy no tena atao, ary avy amin’izany indrindra no nipoiran’io tongotra tsy miainga io.
Ho an’ny dihy kosa dia ny mifangaro amin’ny lantom-peon’ny Salsa latino-américaine sy ny Calypso avy ao Caraïbes izany. Misy karazany maro ny zava-maneno ampiasaina amin’izany, ny « Maravane », « Ravane », « Triangle » ary « Bobre ».
Hasina Rasamimanana
