ActualitésTsidika

Alasora : Hohavaozina ny EPP Miadana Alasora

Efa mihasimba sy ela tsy nasiam-panamboarana loatra ny EPP Miadana Alasora. Nanapa-kevitra ny hanavao azy sy handoko ary hanome endrika vaovao ho azy ny avy ao amin’ny Tanora Manolo-tanana.

« Malahelo tokoa ny tenako raha nahita ny fahasimban’ity EPP Miadana izay namoaka olona maro ity. Mila fanavaozana tokoa izy ary tsy andrasana ela izany » hoy i Andry Ramanitra, izay filoha mpanorina ny Tanora manolo-Tanana. « Hanomboka ny sabotsy 9 jolay izao ny asa. Hatomboka aloha ny asa dieny manana fahafahana ny amin’izany » hoy hatrany izy. Efa namoaka olona maro tokoa ity EPP iray ao Alasora. Mbola betsaka ihany koa ireo ankizy manovo sy hanovo fahalalana ao ary rariny loatra raha hatsaraina hatrany izy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire