Harena an-kibon’ny tany: Mandroso tanteraka ny asa fananganana ny BAM ao Vohémar
Fanjakana manakaiky vahoaka no tanjona. Natsangana ny birao ifotony misahana ny Harena an-kibon’ny tany na ny BAM ao Vohémar ary efa eo amin’ny 95% ny asa no efa vita tanteraka ankehitriny. Natao izao mba hahafahana manakaiky ny mponina amin’ny fikarakarana taratasy sy ny fangatahana torohevitra maro isan-karazany.
“Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny fanjakana dia « ny fanjakana manakaiky vahoaka » izao fananganana fotodrafitrasa izao. Hanamorana ny fampandrosoana izany sady hanampiana ny mponina izay misehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany maro aty an-toerana. Afaka ny hisitraka izao foto-drafitr’asa izao avokoa ny olona rehetra ka tsy ho sahirana intsony amin’ny fikarakarana izay hatao”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny Tany.
“Tafiditra amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny sehatry ny Harena an-kibon’ny tany eny ifitony ihany koa izao fanganana foto-drafitr’asa izao. Itysehatra ity izay ahitana lesoka matetika sady mampimenomenona ny olona mpisehatra ary ho avaozina ny fomba fiasa noho izany”, hoy hatrany ny fanazavana.
“Manangana foto-drafitr’asa tsara toy izao dia tokony mba hanaraka izany ihany koa ny asa ao anatiny ka hitondra tombopntsoa ho an’ny vahoaka fa tsy hatao haingo-tanàna fotsiny ihany”, hoy i Tiana, mpandraharaha mahakasika ny harena an-kibon’ny tany.
Maro ny harena eto Madagasikara, tokony havela malalaka ireo Malagasy maro mba handraharaha amin’io sehatra iray io. Izany anefa tsy hatao gaboraraka ary hialana lavitra ny kolikoly izay mety hanjaka ao anatiny mba hananan’ny tsirairay tamberin’andraikitra avy amin’izany.
Miora Raharisolo
