SocialTsidika

Tovolahy iray nandeha tongotra avy any Morafenobe ho any Maintirano niakitra ny fandinana BEPC

Nanomboka afak’omaly ny fanadianana BEPC manerana ny Nosy. Mpiadina maherin’ny 10 000 no mbola miatrika izany amina foibe fanaovam-panadinana 83 manerana ny nosy araka ny tatitry ny ministeran’nyfampianarana.

Tovolahy iray no sendra nifanenana tamin’ny Polisy teny an-dalana ka nilaza fa tamin’izy ireo fa hanala ny fanadinana BEPC any Maintirano. « Niainga avy any Morafenobe aho no andeha an-tongotra ho any Maintirano » hoy izy. Nentin’ireo polisy ireo tamin’ny fiara ity tovolahy ity ary noentohin’izy ireo sakafo.

« Mendrika ny tohanana mihitsy ny zatovo tahak’izao » hoy ny fanehoan-kevitry ny iray tamin’izy ireo. Tonga soa aman-tsara tao an-toerana izy ary afaka niatrika soa aman-tsara ny fanadinana. Ny fianarana tokoa ny lova tsara indrindra ary noporofon’ny tovolahy fa tsy misy mafy tsy laitran’ny zoto.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire