Fizarana rano ho an’ny Distrikan’Ambovombe
Olana ny rano any Atsimon’ny nosy ary tena miraina ireo mponina any an-toerana. « Samia mifanavotra isika Malagasy fa tsy hiandry ny fanjakana foana akory hanavotra ireo mpiray tanindrazana amintsika any Atsimo » hoy i Maurice, mpampiasa rano.
Efa betsaka ny ezaka manoloana ny ady amin’ny kere sy ireo tetik’asa na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Manana tanjona ny hanena ny isan’ny olona tsy misitraka rano fisotro madio sy ny fidioavana ireo masoivohon’ny firenena mikambana izay miara-miasa amin’ny ONG Suisse. « Sitrany mba mihena ny olona tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo ka natao ny hetsika fizarana rano ho an’ny tokatrano maro eto amin’ny Distrika Ambovombe » hoy ny avy ao amin’ny ONG.
Nahazo rano 40 litatra sy savony ny reny sy zaza isakin’ny tokatrano mba hisitrahan’izy ireo ny fahadioavna sy ny fisotroana rano fisotro madio. « Ilay rano fisotro madio aloha mbola lavitra ny ezaka aty amiany satria na ny rano sotroina fotsiny aza efa manahirana ny mitady azy, saingy ankasitrahanay ny fanampiana tahaka izao mba hahatsapana hatrany ny maha zava-dehibe izany » hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Distrika.
Nicole Rafalimananjara
