Singapour : Mikasa hanokatra orinasa any an-toerana i BioNTech amin’ny 2023
Mikasa hampivelatra sy hanitatra ny fahaizany amin’ny famokarana vaksiny fanefitry ny covid-19 any Asie ilay i BioNTech, toerampikarohana ao Allemagne malaza amin’ny fnamboarana vaksiny iadiana amin’ny coronavirus, amin’ny 2023. Orinasa iray misampana avy amin’ny BioNTech hamokatra « ARN messager » ity kasaina ho aorina any Singapour araka ny faenhoan-kevitra natao ny alatsinainy teo. Araka ny nambaran’ny avy ao amin’ny BioNTech indray, hatao ity orinasa hamokatra ARNm ity mba ahafahana miatrika ara-potoana ireo loza mety hitranga vokatry ny valan’aretina raha ilaina izany. Io fanambarana io izay natao nandritra ny adihevitra mikasika ny fampiakarana ny tahan’ny vaksiny fanefitry ny covid-19. Ny BioNTech izay efa nampivoatra ny vaksininy niaraka tamin’ny Pfizer (avy any Etats-Unis), saingy mbola tsy afaka hampiakatra ny famokarana ataon’izy ireo izany.
