ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Hikatona ny 30 desambra ka hatramin’ny 3 janoary izao ny kaominina

Hifarana ny 30 desambra 2021 ny asa rehetra ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Miverina mandray ny asa sy misokatra ihany kosa izy ireo ny 3 Janoary 2022. « Misaotra antsika rehetra manaiky hatrany ny fandaminana. Miara-mientana hatrany ao anaty fahombiazana isika » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija.

« Mila manararaotra amin’izay asa maika rehetra isika alohan’io daty farany amin’ity taona ity izao » hoy i Rolland, mponina ao Ankadikely Ilafy. « Manana tokantrano sy fianakaviana tahaka ny rehetra ieo mpiasa ao amin’ny kaominina. Rariny raha miatrika ny fety am-pilaminana izy ireo » hoy i Gerard, mpahay fiaraha-monina.

Saika mikatona alohan’ny faran’ny taona avokoa ny orinasa sy ny trano fiasana rehetra hafa mba hiatrehan’ireo mpiasa rehetra ny fety ara-dalàna eo amin’ny fianakaviany. Irariana mba hihatsara hatrany ny asa ho an’ny vahoaka amin’iny taona ho avy iny.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire