Fanabeazana : Tsara raha miomana sahady amin’ny mety ho fahatapahan’ny fampianarana noho ny covid-19
Noraisina teny Anosy ireo vokatra mikasika ny fifaninanana REL na ny « Ressources éducatives libres ». Miisa 220 avy amin’ny faritra 14 ireo mpifaninana. Miisa 70 ireo nahafeno ny fepetra rehetra ary notolarana loka.
« Lelavola mitentina 1 tapitrisa Ar no azon’ny laharana voalohany ; 600 000 Ar ho an’ny faharoa ; ary 200 000Ar ho an’ny fahatelo » hoy ny mpikarakara. « Namokatra votoatim-pahalalàna izy ireo, izay hapetraka eny amin’ny tahirin-kevitra nomerika eny anivon’ny lycée » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena. « Mankasitraka ny mpikarakara nanome sehatra ny fahaiza-manaonay tamin’izao fifaninana izao. Hery lehibe hanome fampazotoana tokoa ny tahaka izao » hoy i Lanto, mpifaninana.
Hetsika hampandrosoana ny fanabeazana avokoa ny tahaka izao. Hanampiana ihany koa ireo mpampianatra sy mpianatra raha sanatria misy ny fahatapahan’ny fampianarana noho ny coronavirus.
Nicole Rafalimananjara
