Tontolo iainana: Tokony hirona kokoa amin’ny fampiasana angovo azo havaozina isika eto madagasikara
Noresahana nandritra ny fihaonana teo amin’ny Vondrona Afrikanina sy Eropeanina tany Bruxelles ny fironana amin’ny fampiasana loharanon’angovo azo avaozina eto Madagasikara. Miharitra ny ala eto Madagasikara noho ny fanaovana arina fandrehitra. Etsy andaniny anefa tsy takatry ny sarababem-bahoaka ny sandan’ny entona fandrehitra sy ny herinaratra. « Niompana tamin’ny fiarovana sy fitandroana ireo harena voajanahary ary koa ny fampiroboroboana ny loharanon’angovo azo avaozina ny resaka natao nandritra ny fihaonana. Manana betsaka amin’ny loharanon’angovo isika eto Madagasikara. Ambony anefa ny sandan’ny fampiasam-bola amin’ny sehatra angovo azo avaozina » hoy ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Baomiavotse Vahinala Raharinirina. « Mitaky fandraisana anjara amin’ny rehetra amin’ny fanarenana ny tontolo iainana. Ilaina ny fananganana ny tanàna ekolojika izay mampihatra ireo fomba fanao miaro ny tontolo iainana. Tsara raha atsahatra ny fampiasana arina sy kitay » hoy i Ando, manam-pahaizana mikasika ny tontolo iainana. Miainga amin’ny isam-batan’olona ny asa ho an’ny tontolo iainana.
