Dépêches

FCE Madagascar: Mandroso ny asa fanamboarana ny làlana

17 Febroary, 09h30. 40% ny asa fanarenana ny lalamby FCE mampitohy an’i Matsiatra Ambony sy Fitovinany izay tapaka vokatry ny fihotsahan’ny tany sy fianjeran’ny hazo nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai no vita. Fiaraha-miasa teo amin’ny fitaleavam-paritry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr’andro ary ny Faritra no nahafahana nahatratra io ezaka io. Nanamora ny asa fanarenana ny fanoloran’ny governoran’ny Faritra Matsiatra Ambony ny fitaovana lehibe avy amin’ny fitondram-panjakana nanesorana ny tany sy ny fanomezan-tananan’ireo mponina mipetraka amin’ireo tanàna manamorona ny lalamby izay mpisitraka sy mivelona amin’ny fisiany. Afaka fotoana fohy dia handeha amin’ny ampahany ny lalambim-pirenena hoy ny tompon’andraikitra.

Laisser un commentaire