Antontanisan’ny vokatry ny andro ratsy DUMAKO laharana 1
17 Febroary, 09h00. Faritra 2 no voakasiky ny fahavoazana vokatry ny fandalovan’ilay andro ratsy Dumako. Tsy nisy ny aina nafoy, 5 095 kosa ny isan’ny traboina izay mitsinjara amin’ny faritra 2. Olona miisa 2 982 no nafindra toerana vonjimaika izay mitsinjara amin’ny toerana fandraisana an-tanana miisa 6. Efitrano fianarana 3 no nahitana fahasimbana, efitrano fianarana 1 no rava tanteraka ary tetezana 1 no lasan’ny rano (Tetezan’ny Volobe). Maromaro kosa ireo toerana mbola dibo-drano.
