Rotsak’orana: Namela takaitra tamin’ny toerana maro ny rotsak’orana
19 Janoary, 09h00. Namoaka tarehimarika nirakitra ireo takaitra vitsivitsy naterakin’ny ora-nikija ny alin’ny 17 hifoha 18 janoary teo ny BNRGC. 9 no maty noho ny fianjeran’ny trano na rindrina tamin’izany, tao Avaradrano ny 4 tamin’ireo, tao Ambohidempona ny iray, tao Manjakaray ny roa ary tao Nanisana ny roa hafa. Iray hafa kosa no maty an-drano tao Ambohidroa. Nisy olona roa naratra ary tra-boina 525 avy ao 3G Hangar sy Manjakamiadana. Nisy ihany koa ny faharavan’ny foto-drafitr’asa, làlana tapaka tao, Manjakamiadana, Ambohipotsy, Androhibe ary Ambohitrarahaba, tetezana lasan’ny rano ao tetezana Ambatomirahavavy sy Ampefiloha Ankeniheny ary fefiloha tapaka ao Ankorondrano Andranomahery sy Anosibe Zaivola.
