SocialTsidika

Antsohihy: Miparitaka ny vola sandoka, tratra ny lehilahy iray

Miparitaka ao Antsohihy ny vola sandoka ankehitriny, ary ami’ny andro hariva riva no tena hitrangan’izany. Lehilahy iray no tra-tehaka nampiasa vola sandoka tao Analamanga, Fokontany Ankirihiry Nord II. 
“Amin’iny andro efa harivariva sy maizimaizina iny no fanararaotan’ireo olon-dratsy manaparitaka vola sandoka. Efa maro ireo mitaraina sy lasibatra noho izany eto Antsohihy” hoy ny tompon’andraiki-panjakana ao Antsohihy. “Rangahy iray no nividy entana teto tamin’ny vola sandoka 20 000 ar, tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Nosamborinay fokonolona izy ary hita tao anaty poketrany ny vola sandoka 140 000 AR. Efa nitondra vola sandoka izy ny omaly ary nanomboka teo no mahana izahay” hoy ireo mpivarotra lasibatra. 
“Tsy ekena eto amin’ny tany Repoblika ny fampiasana vola sandoka. Mbola karohina ny namany. Mila mailo mandrakariva noho izany isika eto Antsohihy” hoy ny mpitandro filaminana any an-toerana. 
Mitohy noho izany ny fanaraha-maso ao amin’ny faritra Sofia. Ilaina tokoa ny fiaraha-mientan’ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka eny ifotony. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire