Dépêches

Bemasoandro Arivonimamo : Hena kisoa halatra tratran’ny zandary

21 Martsa, 09h30. Hena-kisoa halatra no tratran’ny zandary tao Bemasoandro Arivonimamo omaly tamin’ny 4 ora maraina teo. Nahatsikaritra fiara mpitatitra nitondra entana tsy dia nazavazava tamin’ny gony izy ireo zandary nanao fisavana ny entana.

Nisy telo lahy nivoaka ny fiara nilaza nandeha nivalan-drano nandritra izany kanjo nitsoaka izy ireo. Rehefa nojerena ny tao anatin’ilay gony dia nahitana hena kisoa halatra izay nitapaka roa avokoa. Tsy nisy tratra kosa ireo olona nangalatra ireo.

Laisser un commentaire