Dépêches

Itaosy : Nitokona ireo taxi-be

21 Martsa, 09h00. Lavareny ny filaharana teny amin’ny fiantsonan’ny fiara fitanteram-bahoaka Itaosy ny maraina teo. Raha ny fampitam-baovao dia nitokona tsy nety niasa ireo zotra mpitatitra izay mampitohy an’Itaosy amin’ny renivohitra.

Noho ny ataon’ireo mpitandro ny filaminana miasa eny an-toerana izay anton’ny fitokonana. Mahita hilàna vaniny amin’izy ireo foana ireo mpitandro filaminana avy amin’ny zandarimariam-pirenena miasa eny an-toerana ka manasazy azy ireo, hoy ny fitarainan’ireo mpamily.

Laisser un commentaire