Fanabeazana: Nahazo rariny ireo mpampianatra sy mpanabe tao Alakamisy Itenina.
Dépêche 09 mars, 13h, Raha tsiahivina dia nisy ny olana niseho teo amin’ny mpampianatra sy ireo Ray aman-drenin’ny mpianatra tsy nanaiky nampiakatra sainam-pirenena ka niafara tamin’ny raharaham-pitsarana izany. Nahazo rariny teo anivon’ny Filnkevim-panjakana anefa ireo mpampianatra noho izany rehetra izany ka tsy mbola afaka miverina mianatra ireo mpianatra miisa 5. Ho fanajana ny lalàna mipetraka sy ny fiandrianam-pirenena no anton’izany fanapahan-kevitra izany raha ny nambaran’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena.
