ActualitésTsidika

Ady tany : Mitaky ny hampiharana  ny rariny i bebe Noeline

Ramatoa lehibe iray monina ao amin’ny kaominina Tanjombato, fokontany Ankady no very fanahy mbola velona  tamin’ny fandroahana  amin’ny toerana nisy azy. Tamin’ny taona 1967 no nanorenan’ny rain’ny bebe Noeline ny trano voalohany. Nanomboka  nanorina ary nipetraka  tamin’ny ity toerana ity izy  tamin’ny taona 1980, ary efa teo ihany koa ny fasan-drazany rahatrizay . Nefa amin’izao, misy olona izay manao tsindry hazo lena, mibodo ny taniny ary efa nivarotra ny ampahan’ny  taniny mihitsy aza. Milaza fa manana taratasy mazava sy mitombina ilay olona  fa azy ilay toerana. Nefa rehefa natao ny fitsirihana ireo taratasy ireo dia hita fa misy tsy fahatomombanana  ny taratasy nampiasainy. « Nitondra fanamariham-pahafatesan’ny tompotany  ilay olona mba hanehoana fa azy ilay toerana ary izy no mpandova. Nefa raha harahana ny lojika tao anatin’ny taratasy noentiny dia misy ny lesoka goavana izay tsy tokony eken’ny saina mihitsy. Voalaza tao amin’ny kopia ny soram-piankohonana fa efa maty tamin’ny, 30 Jiona 1932  ny rain’ny tena mpandova. Anefa akory ny hagagana fa hafa mihitsy koa ny tao anaty taratasy noentin’ilay olona nibodo ny tany. Ny 05 Jolay 1932 anefa milaza ny nahafahatesany ny zanany indray ity rain’ny mpandova ity ao anaty ny «acte de décès laharana : 392. Izany hoe olona efa maty indray izany no nifoha ka nanao fanambarana fa maty ny zanany. »

Efa nanomboka tamin’ny taona 2005 ity ady tany ity. Efa nisy ny didim-pitsarana izay nivoaka ny, 12 oktobra 2007 izay manaiky fa nampiasa taratasy hosoka tokoa ilay olona anefa toa zary tsy misy dikany izany.  Manana ny taratasy rehetra ary efa nohamarinina  teny amin’ny  sampam-pitsarana  miandraikitra izany ny  taratasin’ i bebe Noeline. Lasa toa zary natao hoan’ny mpanambola sy mahay olona ny fahamarinana. Arakan’ny fanadihadiana natao, mikasa ny hampiakatra ny raharaha i bebe Noeline : « Manana iray volana sy tapany aho hampiakarana ity raharaha ity. Nefa misedra olona eo amin’ny resaka ara-bola aho hananterahana izany.  Tonga amin’ilay teny hoe atody tsy miady amam-bato. Manao antso  avo sy mangataka ny fitondram-panjakana tompon’andraikitra aho mba hijery akaiky ity raharaha ity fa tena tsy rariny ny mahazo ahy. »

Erwan Ran

Laisser un commentaire